37 Ary nony ampitson'iny, raha nidina avy teo an-tendrombohitra izy ireo, dia nisy vahoaka betsaka nitsena an'i Jesosy.
38 Ary, indro, nisy lehilahy anankiray avy teo amin'ny vahoaka nitaraina mafy hoe: Mpampianatra ô, masina Hianao, mamindrà fo amin'ny zanako! fa zanako-lahy tokana izy.
39 Ary, indro, misy fanahy mahazo azy, ka miantsoantso tampoka izy, ary ny fanahy mampifanintontsintona ny tenany sy mampandoa vory azy, ary sarotra ny fialany aminy ka mahatorotorovana azy.
40 Ary nangataka tamin'ny mpianatrao aho mba hamoaka izany, fa tsy afany.
41 Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Ry taranaka sady tsy mino no efa nivadika, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo sy handeferako aminareo? Ento etỳ ny zanakao.
42 Ary raha mbola nanatona izy, dia nampihinjitrinjitra sy nampifanintontsintona azy ny demonia. Ary Jesosy niteny mafy ny fanahy maloto ka nahasitrana ny zazalahy; dia natolony tamin-drainy indray izy.
43 Dia talanjona izy rehetra noho ny fiandrianan'Andriamanitra. Ny nilazan'i Jesosy fanindroany ny hahafatesany sy ny hitsanganany indray. Fa raha talanjona izy rehetra tamin'izay rehetra nataon'i Jesosy, dia hoy Izy tamin'ny mpianany: