45 Nefa tsy azon'ny mpianatra io teny io sady nafenina azy izany mba tsy ho fantany; ary natahotra hanontany Azy ny amin'io teny io izy.
46 Dia nisy fisainana niseho tao am-pony ny amin'izay ho lehibe ao aminy.
47 Ary Jesosy nahalala ny fisainan'ny fony, dia nandray zaza anankiray ka nametraka azy teo anoloany;
48 ary hoy Izy tamin'ireo: Na zovy na zovy no mandray io zaza io noho ny anarako dia mandray Ahy; ary na zovy na zovy no mandray Ahy dia mandray Izay naniraka Ahy; fa izay kely indrindra ao aminareo rehetra, dia izy no lehibe.
49 Ary Jaona namaly ka nanao hoe: Tompoko, izahay nahita anankiray namoaka demonia tamin'ny anaranao, ka noraranay izy, satria tsy manaraka antsika.
50 Fa hoy Jesosy taminy: Aza raràna, fa izay tsy manohitra anareo dia momba anareo.
51 Ary rehefa ho tonga ny fotoana hampiakarana an'i Jesosy, dia niatrika hankany Jerosalema Izy.