8 Dia hoy izy tamin'ny mpanompony: Efa voavoatra ny fampakaram-bady, fa ny efa nasaina no tsy miendrika.
9 Koa mankanesa ianareo any amin'ny sampanan-dalana, ary izay hitanareo, dia asao ho ao amin'ny fampakaram-bady.
10 Dia nivoaka ho any amin'ny lalana ireny mpanompo ireny ka namory izay rehetra hitany, na ny ratsy, na ny tsara; ary dia feno mpihinana ny fampakaram-bady.
11 Ary nony efa niditra ny mpanjaka hizaha ny mpihinana, dia nahita lehilahy anankiray izay tsy niakanjo ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady.
12 Dia hoy izy taminy: Ry sakaiza, ahoana no idiranao eto, nefa ianao tsy miakanjo ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady? Dia sina izy.
13 Ary dia hoy ny mpanjaka tamin'ny mpanompony: Afatory ny tongony aman-tànany, dia ario any amin'ny maizina any ivelany izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
14 Fa maro no antsoina, nefa vitsy no fidina.