16 Ary tamin'izany dia nisy mpifatotra malaza atao hoe Barabasy.
17 Koa nony tafangona teo ny olona, dia hoy Pilato taminy: Iza moa no tianareo halefako ho anareo? Barabasy, sa Jesosy, Izay atao hoe Kristy?
18 Fa fantany fa fialonana no nanoloran'ireo Azy.
19 Ary raha nipetraka teo amin'ny fitsarana izy, ny vadiny dia naniraka hankeo aminy ka nanao hoe: Aza manao na inona na inona amin'izany Lehilahy marina izany, fa nampahory ahy be ihany ny nanofisako Azy any naraina.
20 Ary ny lohan'ny mpisorona mbamin'ny loholona nitaona ny vahoaka mba hangataka an'i Barabasy ary hamono an'i Jesosy.
21 Fa ny governora namaly ka nanao taminy hoe: Iza moa amin'izy roa lahy no tianareo halefako ho anareo? Dia hoy izy: Barabasy.
22 Hoy Pilato taminy: Ka ahoana kosa ary no hataoko amin'i Jesosy, Izay atao hoe Kristy? Dia hoy izy rehetra: Aoka hohomboana amin'ny hazo fijaliana Izy.