29 ka dia feno ny tsi-fahamarinana rehetra, ny faharatsiana, ny fieremana, ny lolompo,- feno fialonana, vonoan-olona, fifandirana, fitaka, otri-po,-
30 mpibitsibitsika, mpanendrikendrika, halan'Andriamanitra, mpampahory, mpiavonavona, mpandoka tena, mpamoron-tsain-dratsy, tsy manoa ray sy reny,
31 tsy manam-pahalalana, tsy mitana fanekena, tsy manam-pitiavana, tsy miantra;
32 dia olona mahalala tsara ny fitsipika nomen'Andriamanitra fa izay manao izany zavatra izany no miendrika ho faty, nefa tsy manao izany ihany izy, fa mankasitraka ny manao koa.