1 Koa amin'izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindram-pon'Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak'Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany.
2 Ary aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao; fa miovà amin'ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon'Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina.
3 Fa noho ny fahasoavana nomena ahy dia izao no lazaiko amin'ny olona rehetra izay eo aminareo: Aza mihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina; fa mihevera izay onony araka ny ohatry ny finoana izay nozarain'Andriamanitra ho anareo avy.
4 Fa toy ny ananantsika zavatra maro momba ny tena iray, nefa tsy mitovy asa izay rehetra momba ny tena,
5 dia toy izany koa isika, na dia maro aza, dia tena iray ihany ao amin'i Kristy, ary samy miara-momba ny tena isika rehetra.
6 Ary satria samy manana fanomezam-pahasoavana samy hafa isika, araka ny fahasoavana izay nomena antsika: raha faminaniana, dia aoka hatao araka ny ohatry ny finoana;
7 raha fanompoana amin'ny fiangonana, dia aoka ho amin'ny fanompoana; raha mampianatra, dia aoka ho amin'ny fampianarana;