8 raha mananatra, dia aoka ho amin'ny fananarana; izay manome, dia aoka ho amin'ny fahatsoram-po; izay manapaka, dia aoka ho amin'ny fahazotoana; izay mamindra fo, dia aoka ho amin'ny fifaliana.
9 Aoka ny fitiavana ho amin'ny tsi-fihatsaram-belatsihy; mankahalà ny ratsy; mifikira amin'ny tsara.
10 Mifankatiava araka ny fifankatiavan'ny mpirahalahy; mitariha lalana amin'ny fifanomezam-boninahitra.
11 Mazotoa, fa aza malaina, ary aoka hafana fo amin'ny fanompoana ny Tompo.
12 Mifalia amin'ny fanantenana; miareta amin'ny fahoriana; mahareta amin'ny fivavahana.
13 Miantrà ny olona masina araka izay ilainy; mazotoa mampiantrano vahiny.
14 Misaora izay manenjika anareo; misaora, fa aza manozona.