1 Koa amin'izany, satria efa nohamarinina tamin'ny finoana isika, dia aoka isika hanana fihavanana amin'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika.
2 Tamin'ny alalany koa no efa nahazoantsika fanatonana amin'ny finoana ho amin'izao fahasoavana itoerantsika izao, ka dia aoka isika hifaly amin'ny fanantenana ny voninahitr'Andriamanitra.
3 Ary tsy izany ihany, fa aoka isika hifaly amin'ny fahoriana aza, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana;
4 ary ny faharetana mahatonga fahatsaram-panahy voazaha toetra; ary ny fahatsaram-panahy voazaha toetra mahatonga fanantenana;
5 ary ny fanantenana dia tsy mampahamenatra, satria ny Fanahy Masina, Izay nomena antsika, no nentiny nampidina ny fitiavan'Andriamanitra ho ao am-pontsika.