28 fa amin'ny fahatanterahana faingana no hanefan'i Jehovah ny teniny ambonin'ny tany (Isa. 10. 22, 23);
29 ary araka izay nolazain'Isaia fahiny hoe: Raha tsy Jehovah, Tompon'ny maro, no namela taranaka ho antsika, Dia efa tonga tahaka an'i Sodoma sy tonga tahaka an'i Gomora isika (Isa. 1. 9).
30 Ahoana ary no holazaintsika? Ny jentilisa, izay tsy nitady fahamarinana, no nahazo fahamarinana, nefa fahamarinana izay avy amin'ny finoana?
31 fa ny Isiraely, izay nitady lalàn'ny fahamarinana kosa, dia tsy nahatratra izany lalàna izany.
32 Nahoana moa? Satria tsy tamin'ny finoana, fa toa tamin'ny asa, ka tafintohina tamin'ny vato mahatafintohina izy;
33 araka ny voasoratra hoe: Indro Aho mametraka vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka ao Ziona; Ary izay mino Azy tsy ho menatra (Isa. 8. 14; 28. 16).