26 Ary Solomona nanangona kalesy sy mpitaingin-tsoavaly; ary nanana kalesy efajato amby arivo izy sy mpitaingin-tsoavaly roa arivo amby iray alina, izay nataony tao amin'ireo tanàna fitoeran'ny kalesy sy tao amin'ny mpanjaka tany Jerosalema.
27 Ary nataon'ny mpanjaka tahaka ny vato ny habetsaky ny volafotsy tany Jerosalema, ary ny hazo sedera nataony toy ny aviavy eny amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka.
28 Ary avy any Egypta no nahazoan'i Solomona soavaly; ary ny iray toko tamin'ny mpandranton'ny mpanjaka dia naka ny andiany iray araka izay vidiny voatendry.
29 Ary ny vidin'ny kalesy iray nentiny niakatra avy tany Egypta dia sekely volafotsy enin-jato, ary ny soavaly dia dimam-polo amby zato avy; ary toy izany kosa no nitondrany ho an'ny mpanjakan'ny Hetita sy ny mpanjakan'ny Syriana.