1 Ary nony afaka andro maro, dia tonga tamin'i Elia ny tenin'i Jehovah tamin'ny taona fahatelo nanao hoe: Mandehana hiseho amin'i Ahaba, fa handatsaka ranonorana amin'ny tany Aho.
2 Dia niainga Elia hiseho amin'i Ahaba. Ary mafy ny mosary tany Samaria.
3 Ary Ahaba niantso an'i Obadia, izay lehiben'ny tao an-dapany (Obadia dia natahotra an'i Jehovah tokoa,
4 ka nony naringan'i Jezebela ny mpaminanin'i Jehovah, dia nalain'i Obadia ny mpaminany zato ka nafeniny, dimam-polo avy no nataony tao an-johy iray, ary novelominy mofo sy rano ireo).
5 Ary hoy Ahaba tamin'i Obadia: Andeha mitety ny tany, dia hatrany amin'ny loharano rehetra sy hatrany amin'ny lohasahan-driaka rehetra; fa angamba hahita ahitra hamelomana ny soavaly sy ny ampondra isika, mba tsy hisy hovonointsika ny biby fiompintsika.
6 Dia nizara lalana izy, ka Ahaba nandeha tamin'ny lalana iray, ary Obadia kosa nandeha tamin'ny lalana iray.
7 Ary raha tany an-dalana Obadia indro, Elia nifanena taminy; ary nahalala azy izy, dia niankohoka ka nanao hoe: Hay! ianao va ity, ry Elia tompoko?