1 Mpanjaka 18:22-28 MG1865

22 Dia hoy Elia tamin'ny olona: Izaho dia izaho irery ihany no sisa amin'ny mpaminanin'i Jehovah; fa ny mpaminanin'i Bala kosa dia dimam- -polo amby efa-jato lahy.

23 Koa aoka ireo no hanome vantotr'ombilahy roa ho antsika; ary aoka izy no hifidy ny iray ho azy, dia handrasa azy ka hametraka azy eo ambonin'ny kitay hazo, nefa tsy hasiana afo ao; ary izaho kosa hamboatra ny iray ka hametraka azy eo ambonin'ny kitay hazo, nefa tsy hasiana afo koa ao.

24 Ary miantsoa ny anaran'ny andriamanitrareo ianareo, ary izaho kosa hiantso ny anaran'i Jehovah; koa Izay Andriamanitra mamaly amin'ny afo, dia aoka Izy no ho Andriamanitra. Ary ny olona rehetra namaly hoe: Marina izany teny izany.

25 Ary hoy Elia tamin'ireo mpaminanin'i Bala: Mifidiana vantotr'ombilahy iray ho anareo, ka dia manamboara aloha ianareo, satria ianareo no maro; ary miantsoa ny anaran'ny andriamanitrareo, nefa aza asiana afo ao.

26 Dia naka ny vantotr'ombilahy izay nomeny azy ireo ka namboatra azy, dia niantso ny anaran'i Bala hatramin'ny maraina ka mandra-pitataovovonan'ny andro izy nanao hoe: Ry Bala ô. henoy izahay! Kanjo tsy nisy nanoina na namaly akory. Ary nihinjakinjaka tamin'ny alitara izay nataony izy.

27 Ary nony nitataovovonana ny andro, dia nanesoeso azy Elia ka nanao hoe: Miantsoa mafy ihany, fa andriamanitra izy; angamba sondrian-dresaka izy, na miavela, na nisy nalehany, na matory angaha izy ka tsy maintsy hofohazina.

28 Dia niantso mafy indray ireo sady nitetika ny tenany araka ny fanaony amin'ny sabatra sy ny lefona mandra-pahaloa-drà tamin'ny tenany.