17 ary harato sy fesitona miolana amin'ny kapitaly izay teo amin'ny tampon'ny andry avy: fito amin'ny kapitaly iray, ary fito koa amin'ny kapitaly iray.
18 Ary nanao ny andry izy, ary nisy roa andalana manodidina tamin'ny asa harato iray, hafono ny kapitaly izay teo an-tampon'ny andry; ary toy izany koa no nataony tamin'ny kapitaly iray.
19 Ary ny kapitaly izay teo an-tampon'ny andry dia nataony mitarehim-boninkazo lilia tahaka ny amin'ny lavarangana fidirana, ary efatra hakiho ny hahavony;
20 ary ny kapitaly teo an-tampon'ny andry roa dia teo ambony koa, teo akaikin'ny kibony izay anatin'ny harato; ary nisy sarin'ampongabendanitra roan-jato nifanandalana nanodidina ny kapitaly avy.
21 Ary ny andry dia natsangany teo amin'ny lavarangana fidirana amin'ny efitra lehibe: ny andry ankavanana natsangany, ka ny anarany nataony hoe Jakina; ary ny andry ankavia natsangany koa, ka ny anarany nataony hoe Boaza.
22 Ary nisy natao mitarehim-boninkazo lilia teo an-tampon'ny andry. Toy izany no nahavitany ny asa tamin'ny andry.
23 Ary nanao ny tavin-drano an-idina boribory lehibe izy, ka folo hakiho no halehiben'ny vavany ary dimy hakiho ny hahavony, ary telo-polo hakiho ny manodidina azy.