20 ary ny kapitaly teo an-tampon'ny andry roa dia teo ambony koa, teo akaikin'ny kibony izay anatin'ny harato; ary nisy sarin'ampongabendanitra roan-jato nifanandalana nanodidina ny kapitaly avy.
21 Ary ny andry dia natsangany teo amin'ny lavarangana fidirana amin'ny efitra lehibe: ny andry ankavanana natsangany, ka ny anarany nataony hoe Jakina; ary ny andry ankavia natsangany koa, ka ny anarany nataony hoe Boaza.
22 Ary nisy natao mitarehim-boninkazo lilia teo an-tampon'ny andry. Toy izany no nahavitany ny asa tamin'ny andry.
23 Ary nanao ny tavin-drano an-idina boribory lehibe izy, ka folo hakiho no halehiben'ny vavany ary dimy hakiho ny hahavony, ary telo-polo hakiho ny manodidina azy.
24 Ary tambanin'ny molotry ny tavin-drano lehibe manodidina nisy sarim-boantango manodidina azy, folo amin'ny iray hakiho manodidina ny tavin-drano lehibe, ary naidiny ho roa andalana ny sarim-boantango sady niara-nataony an-idina tamin'ny tavin-drano.
25 Ary ny tavin-drano dia nipetraka tambonin'ny sarin'omby roa ambin'ny folo; ny telo nanatrika ny avaratra, ny telo nanatrika ny andrefana, ny telo nanatrika ny atsimo, ary ny telo nanatrika ny atsinanana; ary ny tavin-drano lehibe dia teo ambonin'ireo, ary niady vody izy rehetra.
26 Ary ny hateviny dia vodivoam-pelatanana, ary ny molony nataony tahaka ny molotry ny kapoaka, dia tahaka ny vonin'ny lilia; ary nahalany roa arivo bata izy.