1 Ary Nahasy Amonita niakatra ka nitoby tandrifin'i Jabesi-gileada; dia hoy ny mponina rehetra tao Jabesy tamin'i Nahasy: Manaova fanekena aminay, dia hanompo anao izahay.
2 Fa hoy Nahasy Amonita: Izao no hanaovako fanekena aminareo: hopotsirina ny masonareo ankavanana rehetra, ka hataoko fandatsana ny Isiraely rehetra izany.
3 Fa hoy ny loholon'i Jabesy taminy: Omeo andro hafitoana izahay, mba hanirahanay olona ho any amin'ny fari-tanin'ny Isiraely rehetra, ka raha tàhiny tsy misy olona hamonjy anay, dia hivoaka hanatona anao izahay.
4 Dia tonga tany Gibean'i Saoly ny iraka ka nanambara ny teniny teo anatrehan'ny vahoaka; dia nanandratra ny feony ny vahoaka rehetra ka nitomany.
5 Ary, indro, Saoly tonga nandroaka ny omby avy tany an-tsaha ka nanao hoe: Inona izato nanjo ny olona, no mitomany izy? Ary nambarany azy ny tenin'ny mponina tao Jabesy.
6 Dia nilatsaka tamin'i Saoly ny Fanahin'Andriamanitra, ka nirehitra mafy ny fahatezeran'i Saoly, raha nandre izany teny izany.
7 Dia naka omby roa izy, ka norasainy ireo, dia nampitondrainy ny iraka ho any amin'ny fari-tanin'ny Isiraely rehetra ka nataony hoe: Na iza na iza tsy mivoaka hanaraka an'i Saoly sy Samoela, dia tahaka ireny no hanaovana ny ombiny. Dia nahazo ny olona ny fahatahorana an'i Jehovah, ka nivoaka toy ny olona iray ihany izy.