17 Ary hoy Saoly tamin'ny olona teo aminy: Alaharo, ka izahao izay niala tamintsika. Ary nony voalahatra ny olona, dia Jonatana sy ny mpitondra ny fiadiany no tsy teo.
18 Dia hoy Saoly tamin'i Ahia: Ento etỳ ny fiaran'Andriamanitra (fa teo amin'ny Zanak'Isiraely ny fiaran'Andriamanitra fahizany).
19 Ary raha Saoly mbola niresaka tamin'ny mpisorona, dia nandroso sy nitombo ny tabataba terỳ an-tobin'ny Filistina. Ary hoy Saoly tamin'ny mpisorona: Aoka ihany.
20 Ary Saoly sy ny vahoaka rehetra izay teo aminy nivory, ka dia tonga tany amin'ny ady izy, ary indreo ny Filistina nifamely tamin'ny sabany, dia izy samy izy, ka nifanaritaka be ihany.
21 Ary ny Hebreo izay teo amin'ny Filistina taloha ka niara-niakatra taminy ho any an-toby avy tamin'ny tany manodidina dia nikambana tamin'ny Isiraely izay teo amin'i Saoly sy Jonatana koa.
22 Ary ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely izay niery tany amin'ny tany havoan'i Efraima, raha nandre ny nandosiran'ny Filistina, dia nanenjika azy fatratra koa tamin'ny ady.
23 Ary Jehovah namonjy ny Isiraely tamin'izany andro izany; ary tafahoatra any Betavena ny ady.