1 Samoela
toko 22:3-9
Malagasy Bible
3Ary Davida niala tao nankany Mizpa any Moaba ka nanao tamin'ny mpanjakan'i Moaba hoe: Masìna ianao, avelao ny raiko sy ny reniko ho avy atỳ hitoetra etỳ aminao ambara-pahafantatro izay hataon'Andriamanitra amiko.
4Ary dia nentiny ho eo anatrehan'ny mpanjakan'i Moaba izy ireo ka nonina teo aminy tamin'ny andro rehetra nitoeran'i Davida tao amin'ny batery fiarovana.
5Ary hoy Gada mpaminany tamin'i Davida: Aza mitoetra ao amin'ny batery fiarovana; fa mialà, ka mankanesa any amin'ny tanin'ny Joda. Dia nandeha Davida ka tonga tany an'ala Hareta.
6Ary ren'i Saoly fa hita Davida sy ny olona nanaraka azy (nipetraka tao Gibea teo ambanin'ny hazo tamariska teo an-kavoana Saoly tamin'izay, sady nisy lefona teny an-tànany, ary ny mpanompony rehetra nitsangana teo anoloany),
7dia hoy Saoly tamin'ny mpanompony izay teo anoloany: Henoy kely, ry taranak'i Benjamina: Moa ianareo rehetra koa mba homen'ny zanak'i Jese saha sy tanim-boaloboka, ary mba hataony mpifehy arivo sy mpifehy zato ianareo rehetra,
8no dia miray tetika hanohitra ahy ianareo rehetra, ka tsy nisy nanambara tamiko fa ny zanako nanao fanekena tamin'ny zanak'i Jese, ary tsy nisy nalahelo ahy akory ianareo, na nanambara tamiko fa ny zanako efa nanome fo ny mpanompoko ho mpanotrika ahy tahaka ny amin'izao anio izao?
9Ary Doega Edomita, mpifehy ny mpanompon'i Saoly, namaly ka nanao hoe: Nahita ny zanak'i Jese tonga tany Noba aho tany amin'i Ahimeleka, zanak'i Ahitoba.