18 ary hoy izy tamin'i Davida: Marina noho izaho ianao; fa ianao dia nanisy soa ahy, fa izaho kosa namaly ratsy anao.
19 Ary ianao dia naneho androany ny nanaovanao soa tamiko, fa na dia natolotr'i Jehovah teo an-tananao aza aho, dia tsy nahafaty ahy ianao.
20 Fa moa raha misy olona mahazo ny fahavalony, havelany handeha soa aman-tsara va izy? Koa hovalian'i Jehovah soa anie ianao noho ny nataonao tamiko androany.
21 Ary, indro, ankehitriny fantatro fa ho mpanjaka tokoa ianao, ary ny fanjakan'ny Isiraely ho tafatoetra tsara eo an-tananao.
22 Koa mianiàna amiko amin'i Jehovah ianao ankehitriny fa tsy handringana ny taranako mandimby ahy ianao, ary tsy hovonoinao amin'ny mpianakavin'ny raiko ny anarako. Ary Davida dia nianiana tamin'i Saoly; ary dia lasa nody Saoly, fa Davida sy ny olony kosa niakatra nankany amin'ny batery fiarovana.