3 Dia resin'i Davida koa Hadarezera, mpanjakan'i Zoba akaikin'i Hamata, tamin'izy lasa nampiorina ny fanjakany teo amoron'ny ony Eofrata.
4 Ary Davida nahazo babo kalesy arivo taminy sy mpitaingin-tsoavaly fito arivo ary miaramila an-tongotra roa alina; ary notraingotraingoin'i Davida avokoa ny soavalin-kalesy rehetra, fa ny tokony ho amin'ny kalesy zato ihany no navelany.
5 Ary nony tonga ny Syriana avy any Damaskosy hanampy an'i Hadarezera, mpanjakan'i Zoba, dia nahafatesan'i Davida olona roa arivo sy roa alina ny Syriana.
6 Ary nisy namponenin'i Davida tany Syria any Damaskosy; dia tonga mpanompon'i Davida ny Syriana ka nandoa hetra. Fa Jehovah nampahery an'i Davida teny amin'izay rehetra nalehany.
7 Ary nalain'i Davida ny ampinga volamena teny amin'ny mpanompon'i Hadarezera ka nentiny nankany Jerosalema.
8 Ary tao Tibata sy Kona, tanànan'i Hadarezera, no nahazoan'i Davida babo varahina be dia be, ary izany no nanaovan'i Solomona ilay tavin-drano varahina lehibe sy ny andry ary ny fanaka varahina.
9 Ary nony ren'i Toy, mpanjakan'i Hamata, fa Davida efa naharesy ny miaramila rehetra an'i Hadarezera, mpanjakan'i Zoba,