1 Ary Satana nitsangana hampidi-doza tamin'ny Isiraely ka nanome saina an'i Davida hanisa ny Isiraely.
2 Dia hoy Davida tamin'i Joaba sy tamin'ireo lehiben'ny vahoaka: Mandehana, isao ny Isiraely hatrany Beri-sheba ka hatrany Dana; ary ento atỳ amiko ny isany mba ho fantatro.
3 Fa hoy Joaba: Jehovah anie hampitombo ny olony ho injato toy izao na firy na firy izy; fa moa tsy mpanompon'ny tompoko izy rehetra, ry mpanjaka tompoko? Koa inona indray no itadiavan'ny tompoko izany zavatra izany? Nahoana no dia hampahadiso ny Isiraely?
4 Nefa tsy azon'i Joaba nolavina ny tenin'ny mpanjaka; ka dia niainga izy ka nitety ny Isiraely rehetra; dia tonga tany Jerosalema indray izy.
5 Ary natolotr'i Joaba an'i Davida ny isan'ny olona voalamina, ka nisy iray hetsy sy iray tapitrisa ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin'ny Isiraely; ary fito alina sy efatra hetsy ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin'ny Joda.