1 Tantara 28:4-10 MG1865

4 Nefa kosa Jehovah, Andriamanitra ny Isiraely efa nifidy ahy tamin'ny ankohonan'ny raiko rehetra ho mpanjakan'ny Isiraely mandrakizay; fa Joda no nofidiny ho mpanjaka, ary tamin'ny taranak'i Joda indray dia ny ankohonan'ny raiko no nofidiny; ary tamin'ny ankohonan'ny raiko dia izaho kosa no nankasitrahany ka nataony mpanjaka amin'ny Isiraely rehetra.

5 Ary tamin'ny zanako rehetra (fa zanaka maro no nomen'i Jehovah ahy) dia Solomona zanako no nofidiny hipetraka amin'ny seza fiandrianan'ny fanjakan'i Jehovah hanjaka amin'ny Isiraely.

6 Ary hoy Izy tamiko: Solomona zanakao no hanao ny tranoko sy ny kianjako, fa efa nifidy azy ho zanako Aho, ary Izaho ho rainy.

7 Ary hampitoetra ny fanjakany ho mandrakizay Aho, raha maharitra mitandrina ny didiko sy ny fitsipiko mandra-kariva izy tahaka ny amin'izao anio izao.

8 Ary ankehitriny, eto anatrehan'ny Isiraely rehetra, fiangonan'i Jehovah, sy eto anatrehan'Andriamanitsika, tandremo sy diniho ny didin'i Jehovah Andriamanitrareo rehetra, mba hahatananareo ity tany soa ity, sady havelanareo ho lovan'ny zanakareo mandimby anareo, mandrakizay izy.

9 Ary ianao, ry Solomona zanako, aoka ho fantatrao Andriamanitry ny rainao, ka manompoa Azy amin'ny fo rehetra sy ny fanahy mazoto; fa Jehovah, dia mpandinika ny fo rehetra, ary ny fieritreretana rehetra dia fantany avokoa. Raha mitady Azy ianao, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy kosa ianao, dia hariany mandrakizay.

10 Koa mitandrema; fa Jehovah efa nifidy anao hanao trano ho fitoerana masina; dia mahereza ka mahefà.