1 Tantara 5:21-26 MG1865

21 Ary nobaboiny ny bibiny, dia rameva dimy alina sy ondry aman'osy dimy alina amby roa hetsy sy boriky roa arivo ary olona iray hetsy;

22 fa maro ny faty niampatrampatra, satria avy tamin'Andriamanitra ny ady. Ary nonina nandimby ireo izy mandra-pahatongan'ny namaboana azy kosa.

23 Ary ny taranaky ny antsasaky ny firenen'i Manase dia nonina tamin'ny tany; ary nihamaro izy hatrany Basana ka hatrany Bala-hermona sy Senira ary hatramin'ny tendrombohitra Hermona.

24 Ary izao no lohan'ny fianakaviany: Efera sy Jisy sy Eliala sy Azriela sy Jeremia sy Hodavia ary Jadiela; lehilahy mahery ireo ary malaza sady samy lohan'ny fianakaviany avy.

25 Ary nivadika tamin'Andriamanitry ny razany ireo, fa nijangajanga nanaraka ny andriamanitry ny tompon-tany, izay naringan'Andriamanitra tsy ho eo anoloany.

26 Ary Andriamanitry ny Isiraely namporisika an'i Pola, mpanjakan'i Asyria, sy Tiglato-pilesera mpanjakan'i Asyria, ka dia nobaboin'ireo ny Robenita sy ny Gadita sy ny antsasaky ny firenen'i Manase ka nentiny tany Hala sy Habora sy Hara ary tany amoron'ny ony Gozana ambaraka androany. Ny zanakalahin'i Levy dia Gersona sy Kehata ary Merary. Ary ny zanakalahin'i Kehata dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela. Ary ny zanak'i Amrama dia Arona sy Mosesy ary Miriama. Ny zanakalahin'i Arona dia Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara. Eleazara niteraka an'i Finehasa; ary Finehasa niteraka an'i Abisoa; ary Abisoa niteraka an'i Boky; ary Boky niteraka an'i Ozy; ary Ozy niteraka an'i Zerahia; ary Zerahia niteraka an'i Meraiota; ary Meraiota niteraka an'i Amaria; ary Amaria niteraka an'i Ahitoba; ary Ahitoba niteraka an'i Zadoka; ary Zadoka niteraka an'i Ahimaza; ary Ahimaza niteraka an'i Azaria; ary Azaria niteraka an'i Johanana; ary Johanana niteraka an'i Azaria (ilay nanao fisoronana tao amin'ny trano nataon'i Solomona tany Jerosalema); ary Azaria niteraka an'i Amaria; ary Amaria niteraka an'i Ahitoba; ary Ahitoba niteraka an'i Zadoka; ary Zadoka niteraka an'i Saloma; ary Saloma niteraka an'i Hilkia; ary Hilkia niteraka an'i Azaria; ary Azaria niteraka an'i Seraia; ary Seraia niteraka an'i Jozadaka; ary dia lasan-ko babo Jozadaka, nony voatolotr'i Jehovah ho babon'i Nebokadnezara ny Joda sy Jerosalema.