24 (Ary ny zananivavy dia Sera, izay nanorina an'i Beti-horona ambany sy ambony sy Ozena-sera).
25 Ary Refa sy Rasefa no zanakalahin'i Beria, Tela no zanakalahin'i Rasefa, Tahana no zanakalahin'i Tela,
26 Ladana no zanakalahin'i Tahana, Amihoda no zanakalahin'i Ladana, Elisama no zanakalahin'i Amihoda.
27 Nona no zanakalahin'i Elisama, Josoa no zanakalahin'i Nona.
28 Ary ny taniny sy ny fonenany dia Betela sy ny zana-bohiny, ary any atsinanana dia Narana, ary any andrefana dia Gazera sy ny zana-bohiny ary Sekema sy ny zana-bohiny hatrany Gaza sy ny zana-bohiny;
29 ary teo amin'ny sisin-tanin'ny taranak'i Manase dia Beti-sana sy ny zana-bohiny, Tanaka sy ny zana-bohiny, Megido sy ny zana-bohiny, Dora sy ny zana-bohiny Tamin'ireo no nonenan'ny taranak'i Josefa, zanak'Isiraely.
30 Ny zanakalahin'i Asera dia Jimna sy Jisva sy Jisvy sy Beria; ary Sera no anabavin'ireo.