12 Dia nentin'i Joiada nivoaka ny zanakalahin'ny mpanjaka ka nosatrohany ny satro-boninahitra izy, dia notolorany ny Vavolombelona; ka dia nampanjakainy sy nohosorany izy, ary ny olona nitehaka ka niantso hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka!
13 Ary nony ren'i Atalia ny tabataban'ny mpiambina sy ny vahoaka, dia mba nankao amin'ny vahoaka tao amin'ny tranon'i Jehovah izy.
14 Ary hitany fa, indro, ny mpanjaka nitsangana teo amin'ny fitoeran'andriana toy ny fanao, ary ny andrian-dahy sy ny mpitsoka trompetra dia teo anilan'ny mpanjaka; ary ny vahoaka rehetra nifaly sady nampaneno ny trompetra; dia nandriatra ny fitafiany Atalia ka niantso hoe: Fikomiana! fikomiana!
15 Fa Joiada mpisorona nandidy ny kapiteny, mpifehy ny miaramila, ka nanao taminy hoe: Avoahy eny ivelan'ny laharana izy, ary izay manaraka azy dia vonoy amin'ny sabatra. Fa ny mpisorona efa nandrara hoe Aza vonoina ao an-tranon'i Jehovah izy.
16 Ary ny olona nisava teo an-daniny roa, dia nandeha tamin'ny lalana fandehanan'ny soavaly ho any an-tranon'ny mpanjaka ravehivavy; dia novonoiny tao izy.
17 Ary Joiada nampanao fanekena ny mpanjaka sy ny vahoaka tamin'i Jehovah, mba ho olon'i Jehovah izy, ary nampifanaiky ny mpanjaka sy ny vahoaka koa.
18 Ary ny vahoaka rehetra niditra tao an-tranon'i Bala ka nandrava azy; ny alitara sy ny endri-javatra teo aminy dia notorotoroiny avokoa, ary Matana, mpisoron'i Bala, novonoiny teo anoloan'ny alitara. Ary ny mpisorona nanendry ny ho mpitandrina ny tranon'i Jehovah.