18 Ary tonga tao aminy indray ireny, raha mbola tao Jeriko ihany izy, dia hoy izy taminy: Tsy nilaza taminareo va aho nanao hoe: Aza mandeha?
19 Ary hoy ny mponina tao amin'izany tanàna izany tamin'i Elisa: Masìna ianao, indro, tsara toerana ity tanàna ity, tompoko, araka izao hitanao izao, saingy ratsy rano, ary ny tany tsy mampahavanon'anaka.
20 Dia hoy izy: Itondray lovia vaovao aho, ka asio sira ao anatiny. Dia nentiny tany aminy izany.
21 Ary nivoaka nankany amin'ilay niandohan'ny rano izy, dia nanipy sira tao ka nanao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Efa nahatsara ity rano ity Aho; tsy hisy fahafatesana na tsi-fahavanonan'anaka intsony hiseho eto.
22 Ka dia tsara ny rano mandraka androany araka ny teny nataon'i Elisa.
23 Ary dia niakatra avy tao izy ka nankany Betela; ary nony niakatra teny an-dalana izy, dia, indreo, nisy ankizilahy madinika nivoaka avy tao an-tanàna ka nanakora azy hoe: Miakara, ry ilay sola; miakara, ry ilay sola!
24 Ary nitodika izy ka nahita azy, dia nanozona azy tamin'ny anaran'i Jehovah. Ary dia nisy beravavy roa avy tany an'ala namiravira roa amby efa-polo tamin'ireo ankizilahy madinika ireo.