2 Mpanjaka 23:11-17 MG1865

11 Ary ny soavaly izay nohamasinin'ireo mpanjakan'ny Joda ho an'ny masoandro ka nataony teo amin'ny fidirana ho ao an-tranon'i Jehovah, teo akaikin'ny efi-tranon'i Natana-meleka tandapa, izay tao Parvara, dia nesoriny; ary ny kalesin'ny masoandro nodorany tamin'ny afo.

12 Ary ireo alitara teo an-tampon-trano ambony amin'ny tranon'i Ahaza, izay nataon'ireo mpanjakan'ny Joda, sy ny alitara izay nataon'i Manase tao anatin'ny kianja roa tamin'ny tranon'i Jehovah, dia noravan'ny mpanjaka ka notorotoroiny, dia nafafiny tany amin'ny lohasahan-driaka Kidrona ny vovony.

13 Ary nolotoin'ny mpanjaka ireo fitoerana avo izay teo anoloan'i Jerosalema, teo amin'ny ankavanan'ny tendrombohitra nahitan-doza, dia ireo nataon'i Solomona, mpanjakan'ny Isiraely, ho an'i Astarta, fa havetavetan'ny Sidoniana, sy ho an'i Kemosy, fahavetavetan'i Moaba, ary ho an'i Milkoma, fahavetavetan'ny taranak'i Amona.

14 Dia notorotoroiny ny tsangam-baton-tsampy sady nokapainy koa ny Aseraha, ka nofenoiny taolan'olona ny nitoerany.

15 Ary ny alitara izay tao Betela sy ny fitoerana avo izay nataon'i Jeroboama, zanak'i Nebata, ilay nampanota ny Isiraely, dia noravany koa; ary nodorany ny fitoerana avo ka notorotoroiny ho vovoka, ary nodorany koa ny Aseraha.

16 Ary nitodika Josia ka nahita ny fasana teny an-tendrombohitra, dia naniraka naka ny taolana tao am-pasana, ary nodorany teo ambonin'ny alitara ireny nandotoany azy, araka ny tenin'i Jehovah, izay notorin'ilay lehilahin'Andriamanitra.

17 Dia hoy izy: Tsangam-baton'iza itsy hitako itsy? Ary hoy ny mponina tao an-tanana taminy: Fasan'ilay lehilahin'Andriamanitra izay avy tany Joda io, dia ilay nitory izao zavatra nataonao tamin'ny alitara eto Betela izao.