14 Ary nentiny ho babo ny tao Jerosalema rehetra sy ny mpanapaka rehetra sy ny lehilahy mahery rehetra, dia olona iray alina, mbamin'ny mahay tao-zavatra rehetra sy ny mpanefy koa, ka tsy nisy sisa navelany afa-tsy izay tompon-tany faraidina.
15 Ary nitondra an'i Joiakina koa ho babo any Babylona izy; ary ny renin'ny mpanjaka sy ny vadin'ny mpanjaka sy ny tandapa sy ny lehilahy mahery amin'ny tany dia nentiny ho babo avy tany Jerosalema ho any Babylona.
16 Ary ny lehilahy mahery rehetra, dia fito arivo, ary ny mahay tao-zavatra sy ny mpanefy arivo lahy, izay samy mahery sy mahay miady, dia nentin'ny mpanjakan'i Babylona ho babo tany Babylona avokoa.
17 Ary Matania, rahalahin-drainy, no notendren'ny mpanjakan'i Babylona ho mpanjaka hisolo an'i Joiakina, ka novany hoe Zedekia no anarany.
18 Iraika amby roa-polo taona Zedekia, fony izy vao nanjaka, ary iraika ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Hamotala, zanakavavin'i Jeremia, avy any Libna.
19 Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, tahaka izay rehetra nataon'i Joiakima.
20 Fa ny fahatezeran'i Jehovah no nahatongavan'izany tamin'i Jerosalema sy ny Joda ambara-pandroakany azy tsy ho eo anatrehany. Ary Zedekia niodina tamin'ny mpanjakan'i Babylona.