12 Fa ianao nanao izany tao amin'ny mangingina, ary Izaho kosa haneho izany zavatra izany eo anatrehan'ny Isiraely rehetra sy amin'izao antoandrobenanahary izao.
13 Dia hoy Davida tamin'i Natana: Efa nanota tamin'i Jehovah aho. Ary hoy kosa atana tamin'i Davida: Jehovah efa nanaisotra ny helokao, ka tsy ho faty ianao.
14 Nefa noho ny nampitenenanao ratsy ny fahavalon'i Jehovah amin'izany zavatra izany dia ho faty tokoa ny zaza izay haterakao.
15 Ary Natana nody tany an-tranony. Ary Jehovah namely ny zaza izay nateraky ny vadin'i Oria tamin'i Davida, ka dia narary be ny zaza.
16 Ary nifona tamin'Andriamanitra ho an'ny zaza Davida, dia nifady hanina sady niditra ka nandry tamin'ny tany mandritra ny alina.
17 Ary ny loholona tao an-tranony nitsangana nankao aminy hampiarina azy amin'ny tany; nefa tsy nety izy sady tsy nety niara-nihinan-kanina taminy.
18 Ary nony nandray hafitoana, dia maty ny zaza; ary ny mpanompon'i Davida natahotra hilaza ny nahafatesan'ny zaza aminy, fa hoy ireo: Indro, fony mbola velona aza ny zaza, raha niteny taminy isika, dia tsy nohenoiny ny feontsika, koa hataontsika ahoana no filaza aminy ny fahafatesan'ny zaza? fandrao hanimba tena izy.