14 Ary ataovy amin'i Amasa koa hoe: Tsy taolako sy nofoko va ianao? Hataon'Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy komandin'ny miaramila eo anatrehako mandrakariva ho solon'i Joaba ianao.
15 Ary dia nampitodika ny fon'ny lehilahy rehetra amin'ny Joda ho toy ny olona iray izy; ka dia naniraka tany amin'ny mpanjaka izy ka nanao hoe: Modia ianao sy ny mpanomponao rehetra.
16 Ary dia nody ny mpanjaka ka tonga tao Jordana; ary ny Joda tonga tao Gilgala hitsena ny mpanjaka hitondra azy hita an'i Jordana.
17 Ary Simey, zanak'i Gera, Benjamita avy any Bahorina, dia nidodododo nidina araka tamin'ny lehilahy amin'ny Joda tsena an'i Davida mpanjaka.
18 Ary nisy benjamita arivo lahy koa nanaraka azy, ary Ziba, mpanompon'ny taranak'i Saoly, mbamin'ny zananilahy dimy ambin'ny folo sy mpanompony roa-polo lahy izay nanaraka azy; ary dia nita an'i Jordana teo alohan'ny mpanjaka izy ireo.
19 Ary navoivoy teo ny lakana hampitana ny ankohonan'ny mpanjaka sy hanaovany izay sitrany. Ary nony efa hita an'i Jordana ny mpanjaka, dia indro Simey, zanak'i Gera, niankohoka teo anatrehany.
20 Ary hoy izy tamin'ny mpanjaka: Aoka tsy hisain'ny tompoko heloka aho, ary aoka tsy hotsarovanao ny ratsy nataon'ny mpanomponao tamin'ny andro nivoahan'ny mpanjaka tompoko niala tany Jerosalema, ary aoka tsy ho eritreretin'ny mpanjaka izany;