7 fa ny mankahala anao no tianao, ary ny tia anao kosa no halanao, ka nasehonao androany fa tsinontsinona aminao ny manamboninahitra sy ny miaramila; ary hitako izao fa raha velona Absaloma, ka izahay rehetra no maty androany, dia izany no sitrakao.
8 Koa mitsangàna ankehitriny, ka mivoaha, ary manaova teny soa amin'ny mpanomponao; fa mianiana amin'i Jehovah aho fa raha tsy mivoaka ianao, dia tsy hisy na dia iray akory aza hitoetra eto aminao anio alina; ka dia izany no ho mafy lavitra aminao noho ny fahoriana rehetra izay nanjo anao hatry ny fony ianao vao zaza ka ambaraka ankehitriny.
9 Dia nivoaka ny mpanjaka ka nijanona teo am-bavahady; ary nolazaina tamin'ny vahoaka rehetra hoe: Indro, ny mpanjaka mijanona eo am-bavahady. Ary ny vahoaka rehetra dia nankeo anatrehan'ny mpanjaka. Ary ny Isiraely dia samy efa lasa nandositra ho any amin'ny lainy avy.
10 Ary ny vahoaka rehetra tamin'ny firenen'Isiraely nifanditra hoe: Ny mpanjaka no namonjy antsika tamin'ny tanan'ny fahavalontsika, indrindra fa tamin'ny tanan'ny Filistina; nefa ankehitriny dia efa nandositra niala tamin'ny tany izy noho ny amin'i Absaloma.
11 Ary Absaloma, izay nohosorantsika hanjaka amintsika, dia efa maty tamin'ny ady. Koa nahoana ianareo no tsy miteny akory ny amin'ny hampodiana ny mpanjaka?
12 Ary Davida mpanjaka naniraka tany amin'i Zadoka sy Abiatara mpisorona ka nanao hoe: Ataovy amin'ny loholon'ny Joda hoe: Nahoana no dia ianareo indray no ho farany amin'ny fampodiana ny mpanjaka ho any an-tranony? fa ny tenin'ny Isiraely rehetra efa tonga tao amin'ny mpanjaka tao an-tranony
13 rahalahiko ianareo, ary taolako sy nofoko ianareo; koa nahoana no dia ianareo Indray no ho farany amin'ny fampodiana ny mpanjaka?