3 Ary ny olona izay tao amin'i Davida mbamin'ny ankohonan'ireo dia samy nentiny niakatra koa, ka nonina tao amin'ny tanàna momba an'i Hebrona izy ireo.
4 Ary dia avy ny lehilahy amin'ny Joda ka nanosotra an'i Davida tao mba ho mpanjaka amin'ny taranak'i Joda. Ary nisy nanambara tamin'i Davida hoe: Ny olona any Jabesi-gileada no nandevina an'i Saoly.
5 Ary Davida dia naniraka olona hankany amin'ny mponina any Jabesi-gileada hanao aminy hoe: Hotahin'i Jehovah anie ianareo noho ny soa nataonareo tamin'i Saoly tomponareo tamin'ny nandevenanareo azy.
6 Koa haneho famindram-po sy fahamarinana aminareo anie Jehovah, sady izaho koa efa manao izao soa izao aminareo noho ny nanaovanareo izany zavatra izany.
7 Ary ankehitriny, aoka hampaherezina anie ny tananareo, ary aoka hatanjaka ianareo; fa maty Saoly tomponareo, ary izaho no nohosoran'ny firenen'i Joda ho mpanjakany.
8 Fa Abnera, zanak'i Nera, komandin'ny miaramilan'i Saoly, efa naka an'Isboseta, zanakalahin'i Saoly, ka nitondra azy nankany Mahanaima,
9 dia nampanjaka azy tamin'i Gileada sy ny Asorita sy Jezirela sy ny Efraima sy ny Benjamina ary ny Isiraely rehetra.