1 Ary Rehoboama, rehefa nampandry ny ny fanjakany sady efa nahery, dia nahafoy ny lalan'i Jehovah izy sy ny Isiraely rehetra.
2 Ary tamin'ny taona fahadimy nanjakan-dRehoboama mpanjaka dia niakatra Sisaka, mpanjakan'i Egypta, hamely an'i Jerosalema, fa nivadika tamin'i Jehovah ny mponina tany,
3 ary nitondra kalesy roan-jato amby arivo sy mpitaingin-tsoavaly enina alina izy, ary tsy hita isa ny olona izay nanaraka azy avy tany Egypta, dia ny Lobita sy ny Sokita ary ny Etiopiana.
4 Dia nahafaka ny tanàna mimanda izay any Joda izy ka tonga tany Jerosalema.
5 Ary Semaia mpaminany tonga tao amin-dRehoboama sy ireo mpanapaka ny Joda, izay tafangona tany Jerosalema noho ny amin'i Sisaka, ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Hianareo efa nahafoy Ahy, koa Izaho kosa dia mba nahafoy anareo ho eo an-tànan'i Sisaka.
6 Dia niaiky ireo mpanapaka ny Isiraely sy ny mpanjaka ka nanao hoe: Marina Jehovah.
7 Ary nony hitan'i Jehovah fa niaiky izy, dia tonga tao amin'i Semaia indray ny tenin'i Jehovah nanao hoe: Efa niaiky izy, ka dia tsy handringana azy Aho, fa tsy ho ela dia hamonjy azy; ary tsy haidiko amin'i Jerosalema avy amin'ny tànan'i Sisaka ny fahatezerako.