19 Ary Abia nanenjika an'i Jeroboama ka nahazo ny tanànany, dia Betela mbamin'ny zana-bohiny sy Jesana mbamin'ny zana-bohiny ary Efrona mbamin'ny zana-bohiny.
20 Ary Jeroboama tsy naharina intsony tamin'ny andron'i Abia; ary Jehovah namely azy, ka dia maty izy.
21 Ary Abia nitombo hery, ary nanam-bady efatra ambin'ny folo izy ka niteraka lahy roa amby roa-polo sy vavy enina ambin'ny folo.
22 Ary ny tantaran'i Abia sisa mbamin'ny nataony sy ny teniny dia efa voasoratra ao amin'ny bokin'Ido mpaminany. Ary Abia lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao an-tanànan'i Davida izy; ary Asa zanany no nanjaka nandimby azy. Ary tamin'ny andron'i Asa dia nandry folo taona ny tany.