1 Ary Josafata lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao an-Tanànan'i Davida izy; ary Jehorama zanany no nanjaka nandimby azy.
2 Ary nanan-drahalahy, zanak'i Josafata, koa izy, dia Azaria sy Jehiela sy Zakaria sy Azaria sy Mikaela ary Sefatia; ireo rehetra ireo no zanak'i Josafata, mpanjakan'ny Isiraely.
3 Ary nomen-drainy harena betsaka ireo, dia volafotsy sy volamena ary zava-tsoa mbamin'ny tanàna sasany mimanda tany Joda; fa ny fanjakana kosa dia nomeny an'i Jehorama, satria izy no lahimatoa.
4 Ary raha vao nanjaka tamin'ny fanjakan'ny rainy Jehorama, dia nitombo hery izy ka namono ny rahalahiny rehetra mbamin'ny mpanapaka sasany tamin'ny Isiraely koa tamin'ny sabatra.
5 Roa amby telo-polo taona Jehorama, fony izy vao nanjaka, ary valo taona no nanjakany tany Jerosalema.