17 ary niakatra tany Joda ireo ka nisesika tao, dia nobaboiny ny fananana rehetra izay an'ny ankohonan'ny mpanjaka mbamin'ny zanany sy ny vadiny koa, ka tsy nisy zanany intsony, afa-tsy Joahaza faralahiny ihany.
18 Ary nony afaka izany rehetra izany, dia nasian'i Jehovah aretina tsy azo sitranina tamin'ny tsinainy izy.
19 Ary rehefa ela, nony afaka roa taona, dia nialàla ny tsinainy azon'ny aretiny; ka dia maty tamin'ny fangirifiriana mafy izy. Ary ny vahoakany tsy mba nandoro zavatra ho fisaonana azy toy ny nataony tamin'ny razany.
20 Roa amby telo-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary valo taona no nanjakany tany Jerosalema; koa lasa tsy nisy nalahelo azy izy. Ary nalevina tao an-Tanànan'i Davida ihany izy, nefa tsy mba tao amin'ny fasan'ny mpanjaka.