1 Ary ny mponina tany Jerosalema nampanjaka an'i Ahazia, faralahin'i Jehorama, handimby azy; fa ny zokiny rehetra efa matin'ny mpitoha ady izay nanaraka ny Arabo hatrany an-toby avokoa. Koa Ahazia, zanak'i Jehorama, mpanjakan'ny Joda, no nanjaka.
2 Roa amby efa-polo taona Ahazia, fony izy vao nanjaka, ary herintaona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Atalia, zanak'i Omry.
3 Nandeha tamin'ny lalan'ny taranak'i Ahaba koa izy; fa ny reniny no nanome saina azy hanao ratsy.
4 Ka dia nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah toy ny taranak'i Ahaba izy; fa ireny no nanome saina azy taorian'ny nahafatesan'ny rainy ka nampidi-doza taminy.