2 Tantara 22:4-10 MG1865

4 Ka dia nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah toy ny taranak'i Ahaba izy; fa ireny no nanome saina azy taorian'ny nahafatesan'ny rainy ka nampidi-doza taminy.

5 Ary ny saina nomen'ireo azy no narahiny, ka niara-nandeha tamin'i Jorama, zanak'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely, izy hiady tamin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria, teo Ramota-gileada; ary ny Syriana nahavoa an'i Jorama.

6 Dia niverina mba hotsaboina tao Jezirela izy amin'ny feriny tamin'ny nahavoazana azy tao Rama, fony izy niady tamin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria. Ary Azaria, zanak'i Jehorama, mpanjakan'ny Joda, nidina mba hamangy an'i Jorama, zanak'i Ahaba, tao Jezirela, satria marary izy.

7 Ary avy tamin'Andriamanitra ny loza nanjo an'i Ahazia tamin'ny nankanesany tany amin'i Jorama, fa nony tonga izy, dia niara-nivoaka tamin'i Jorama mba hitsena an'i Jeho, zanak'i Nimsy, izay nohosoran'i Jehovah handringana ny taranak'i Ahaba.

8 Ary tamin'ny namalian'i Jeho ny taranak'i Ahaba dia hitany ireo mpanapaka ny Joda sy ny zana-drahalahin'i Ahazia, izay nanompo an'i Ahazia, ka novonoiny.

9 Ary nitady an'i Ahazia koa izy; koa nisy nahita azy, raha mbola niery tany Samaria izy, dia nitondra azy ho any amin'i Jeho, ary namono azy ny olona ka nandevina azy; fa hoy ireo: Zanak'i Josafata, ilay nitady an'i Jehovah tamin'ny fony rehetra, ity. Ka dia tsy nahatana ny fanjakana ny terak'i Ahazia.

10 Ary nony hitan'i Atalia, renin'i Ahazia, fa maty ny zanany, dia nitsangana izy ka nandringana ny zanak'andriana rehetra tamin'ny taranak'i Joda.