2 Tantara 22:6-12 MG1865

6 Dia niverina mba hotsaboina tao Jezirela izy amin'ny feriny tamin'ny nahavoazana azy tao Rama, fony izy niady tamin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria. Ary Azaria, zanak'i Jehorama, mpanjakan'ny Joda, nidina mba hamangy an'i Jorama, zanak'i Ahaba, tao Jezirela, satria marary izy.

7 Ary avy tamin'Andriamanitra ny loza nanjo an'i Ahazia tamin'ny nankanesany tany amin'i Jorama, fa nony tonga izy, dia niara-nivoaka tamin'i Jorama mba hitsena an'i Jeho, zanak'i Nimsy, izay nohosoran'i Jehovah handringana ny taranak'i Ahaba.

8 Ary tamin'ny namalian'i Jeho ny taranak'i Ahaba dia hitany ireo mpanapaka ny Joda sy ny zana-drahalahin'i Ahazia, izay nanompo an'i Ahazia, ka novonoiny.

9 Ary nitady an'i Ahazia koa izy; koa nisy nahita azy, raha mbola niery tany Samaria izy, dia nitondra azy ho any amin'i Jeho, ary namono azy ny olona ka nandevina azy; fa hoy ireo: Zanak'i Josafata, ilay nitady an'i Jehovah tamin'ny fony rehetra, ity. Ka dia tsy nahatana ny fanjakana ny terak'i Ahazia.

10 Ary nony hitan'i Atalia, renin'i Ahazia, fa maty ny zanany, dia nitsangana izy ka nandringana ny zanak'andriana rehetra tamin'ny taranak'i Joda.

11 Fa Joseba, zanakavavin'ny mpanjaka, dia naka an'i Joasy, zanak'i Ahazia, ka namonjy azy avy teo amin'ny zanaky ny mpanjaka izay novonoina, dia nampiditra azy sy ny mpitaiza azy ho ao an-trano fitehirizam-pandriana. Ary nafenin'i Joseba, zanakavavin'i Jehorama mpanjaka, vadin'i Joiada mpisorona, izy (fa anabavin'i Ahazia ravehivavy) mba tsy ho hitan'i Atalia, ka dia tsy mba voavonony izy.

12 Ary niery enin-taona tao aminy tao an-tranon'Andriamanitra izy. Ary Atalia no nanjaka tamin'ny tany