2 Tantara 25:14-20 MG1865

14 Ary Amazia, nony niverina avy nanafika ny Edomita, dia nitondra ny andriamanitry ny taranak'i Seira ka nanangana azy ho andriamaniny; ary niankohoka teo anatrehany izy sady nandoro ditin-kazo manitra ho azy.

15 Dia nirehitra tamin'Amazia ny fahatezeran'i Jehovah, ka naniraka mpaminany anankiray ho any aminy Izy hanontany azy, hoe: Nahoana ianao no mitady ny andriamanitry ny firenena, izay tsy naharo ny olony tamin'ny tananao aza?

16 Ary raha niteny taminy izy, dia novaliany hoe: Moa voatendrinay ho mpanolo-tsaina ny mpanjaka va Hianao? Aoka itsy ange, fandrao asian'ny olona ianao. Dia nitsahatra ilay mpaminany ka nanao hoe: Fantatro fa Andriamanitra mikasa hahafaty anao satria nanao izany ianao ka tsy nihaino ny anatro.

17 Ary Amazia. mpanjakan'ny Joda, naka hevitra, dia naniraka tany amin'i Joasy, zanak'i Joahaza, zanak'i Jeho, mpanjakan'ny Isiraely, izy hanao hoe: Avia, aoka isika hihaona.

18 Fa Joasy, mpanjakan'ny Isiraely, naniraka tany amin'i Amazia, mpanjakan'ny Joda, nanao hoe: Ny tsilo izay tany Libanona naniraka tamin'ny hazo sedera izay tany Libanona nanao hoe: Omeo ny zanakolahy ny zanakaovavy ho vadiny; dia namaky teo ny bibi-dia tany Libanona ka nanosihosy ny tsilo.

19 Lazainao fa namely an'i Edoma ianao, ka dia nanesika anao hirehareha ny fonao; mitoera ihany ange ao an-tranonao, fa nahoana no hihaika ny loza hahalavo ny tenanao mbamin'ny Joda koa ianao?

20 Fa tsy nanaiky Amazia, satria avy tamin'Andriamanitra izany, mba hanolorany azy ho eo an-tànan'ny fahavalony noho ny nitadiavany ny andriamanitry ny Edomita.