7 Nefa nisy lehilahin'Andriamanitra tonga tao aminy ka nanao hoe: Ry mpanjaka, aza avela hanaraka anao ny miaramilan'ny Isiraely; fa tsy omban'i Jehovah ny Isiraely, dia ny taranak'i Efraima rehetra.
8 Fa mandehana ihany ianao, ka manaova, ary mahereza amin'ny ady; fa hataon'Andriamanitra lavo eo anoloan'ny fahavalo ianao; fa Andriamanitra no mahay mamonjy sy mampahalavo.
9 Fa hoy Amazia tamin'ilay lehilahin'Andriamanitra: Ka hataontsika ahoana ny amin'ny talenta zato nomeko ny miaramilan'ny Isiraely? Asy hoy ilay lehilahin'Andriamanitra taminy: Jehovah mahay manome anao mihoatra lavitra noho izany.
10 Dia navahan'i Amazia ireo miaramila tonga tao aminy avy tamin'ny Efraima ireo mba hody indray; ary nirehitra mafy ny fahatezeran'ireo tamin'ny Joda, dia lasa nody izy sady tezitra indrindra.
11 Ary Amazia nitombo hery, dia nitarika ny vahoakany ka nankany amin'ny Lohasahan-tsira, ary nahafaty iray alina tamin'ny taranak'i Seira izy.
12 Ary ny iray alina sisa nataon'ny taranak'i Joda sambo-belona, dia nentiny teo an-tampon'ny hantsam-bato ary navariny teo, ka montsamontsana izy rehetra.
13 Fa ireo miaramila izay nampodin'i Amazia tsy hiara-manafika aminy dia nihahakahaka teny an-tanànan'ny Joda hatrany Samaria ka hatrany Beti-horona ka nahafaty olona telo arivo tany sady nahazo babo betsaka.