1 Dimy amby roa-polo taona Jotama, fony izy vao nanjaka, ary enina ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jerosa, zanakavavin'i Zadoka.
2 Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy, tahaka izay nataon'i Ozia rainy; nefa kosa tsy mba niditra tao amin'ny tempolin'i Jehovah izy. Ary ny vahoaka rehetra mbola nanao ratsy ihany.
3 Izy no nanamboatra ny vavahady ambony amin'ny tranon'i Jehovah sady nandrafitra be tamin'ny mandan'i Ofela koa.
4 Ary nanao tanàna teny amin'ny tany havoan'i Joda sy trano fiarovana ary tilikambo tany an'ala koa izy.