1 Ary nony vita izany rehetra izany, dia niainga nankany an-tanànan'ny Joda ny Isiraely rehetra izay tao ka nanorotoro ny tsangam-baton-tsampy sy nikapa ny Aseraha ary nandrava ny fitoerana avo sy ny alitara eran'i Joda sy Benjamina rehetra ary tany Efraima sy Manase koa ambara-paharavany azy rehetra. Dia samy nody ho any amin'ny taniny sy ny tanànany avy ny Zanak'isiraely rehetra.
2 Ary Hezekia nanendry ny antokon'ny mpisorona sy ny Levita araka ny antokony avy, samy araka ny fanompoany avy, dia ny mpisorona sy ny Levita ho amin'ny fanatitra dorana sy ny fanati-pihavavana sy hanao fanompoam-pivavahana sy hisaotra ary hidera eny amin'ny vavahadin'ny tobin'i Jehovah.
3 Ary ny hatao fanatitra dorana rehetra dia nomen'ny mpanjaka avy tamin'ny fananany, dia ny fanatitra dorana maraina sy hariva sy ny fanatitra dorana atao amin'ny Sabata sy amin'ny voaloham-bolana sy amin'ny fotoam-pivavahana, araka ny voasoratra ao amin'ny lalan'i Jehovah.
4 Ary ny olona izay nonina tany Jerosalema nasainy nandoa ny anjaran'ny mpisorona sy ny Levita hipetrahany tsara amin'ny lalàn'i Jehovah.
5 Ary nony niely izany teny izany, dia nitondra voaloham-bokatra betsaka ny Zanak'isiraely, dia vary sy ranom-boaloboka sy diloilo sy tantely ary vokatry ny tany isan-karazany; ary ny fahafolon-karena tamin'ny zavatra rehetra, dia betsaka koa no nentiny.