17 sady nanoratra taratasy hihaika an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, sy hiteny ratsy Azy ka nanao hoe: Tahaka ny tsy nahavonien'ireny andriamanitry ny firenena tany amin'ny tany hafa ny olony tamin'ny tanako no tsy hahavonjen'ny Andriamanitr'i Hezekia ny olony koa amin'ny tanako.
18 Dia niantso tamin'ny feo mahery izy ka nanao teny Jiosy teo anatrehan'ny mponina tany Jerosalema izay teny ambonin'ny manda hampitahorany sy hampangorohoroany azy mba hahafahany ny tanàna.
19 Ary Andriamanitr'i Jerosalema koa dia mba nolazainy toy ny filazàny ireny andriamanitry ny firenena tany amin'ny tany hafa ireny, izay asan'tànan'olona ihany.
20 Ary noho izany dia nivavaka Hezekia mpanjaka sy Isaia mpaminany, zanak'i Amoza, ka nitaraina tamin'ny lanitra.
21 Ary Jehovah naniraka anjely izay nandringana ny lehilahy mahery rehetra sy ny mpanapaka ary ny komandy teo an-tobin'ny mpanjakan'i Asyria, ka dia lasa nody amin-kenatra Sankeriba. Ary nony niditra tao an-tranon'ny andriamaniny izy, dia namono azy tao tamin'ny sabatra ny zanany naterany.
22 Toy izany no namonjen'i Jehovah an'i Hezekia sy ny mponina tany Jerosalema tamin'ny tànan'i Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, sy tamin'ny tanan'ny fahavalony rehetra; eny, niaro azy tamin'ny manodidina rehetra Izy.
23 Ary ny maro nitondra fanatitra ho an'i Jehovah tany Jerosalema sy zava-tsoa ho an'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda; dia nalaza teo imason'ny firenena rehetra izy hatramin'izany.