5 Ary ny hateviny dia vodivoam-pelatanana, ary ny molony nataony tahaka ny molotry ny kapoaka, dia tahaka ny vonin'ny lilia; ary mahalany telo arivo bata izy.
6 Ary nanao tavin-drano folo koa izy hanasana, ny dimy nataony tamin'ny ankavanana, ary ny dimy tamin'ny ankavia; ary ny zavatra hatao fanatitra dorana dia nakobaka teo; fa ny tavin-drano lehibe kosa dia fisasan'ny mpisorona.
7 Ary nanao ny fanaovan-jiro volamena folo araka ny marika izy, dia napetrany tao amin'ny tempoly, dimy teo amin'ny ankavanana, ary dimy teo amin'ny ankavia.
8 Ary nanao latabatra folo koa izy, dia napetrany tao amin'ny tempoly, dimy teo amin'ny ankavanana, ary dimy teo amin'ny ankavia. Ary nanao lovia volamena zato famafazana izy.
9 Ary nanao ny kianjan'ny mpisorona sy ny kianja lehibe sy ny lela-vavahadin'ny kianja izy, ary nopotehany takela-barahina ny lela-vavahady.
10 Ary ny tavin-drano lehibe nataony tamin'ny ankavanana, dia teo amin'ny atsimo-atsinana.
11 Ary Hirama nanao ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron'afo ary ny lovia famafazana. Dia vitan'i Hirama ny asa izay nataony ho an'i Solomona mpanjaka ho amin'ny tranon'Andriamanitra: