28 Ary nangalana soavaly avy tany Egypta sy tany amin'ny tany rehetra koa Solomona.
29 Ary ny tantaran'i Solomona sisa, na ny voalohany na ny farany. tsy efa voasoratra va izany ao amin'ny bokin'i Natana mpaminany sy amin'ny faminanian'i Ahia Silonita sy amin'ny fahitan'Ido mpahita ny amin'i Jeroboama, zanak'i Nebata?
30 Ary Solomona nanjaka efa-polo taona tamin'ny Isiraely rehetra tany Jerosalema.
31 Ary Solomona lasa nodimandry any amin'ny razany, dia nalevina tao an-Tanànan'i Davida rainy izy; ary Rehoboama zanany no nanjaka nandimby azy.