9 Nefa nandre ny teniny ihany aho; ary nony nandre izany aho, dia renoky ny torimaso niankohoka tamin'ny tany.
10 Ary, indro, nisy tanana nanohina ka nanarina ahy handohalika sy hitehin-tanana, nefa mbola nangozohozo ihany.
11 Ary hoy izy tamiko: Ry Daniela malala ô, fantaro ny teny Izay lazaiko aminao, ka mijoroa; fa nirahina ho atỳ aminao aho ankehitriny. Ary nony nilaza izany teny izany tamiko izy, dia nitsangana nangozohozo teo aho.
12 Dia hoy izy tamiko: Aza matahotra, ry Daniela; fa hatramin'ilay andro voalohany nampiasanao ny fonao hahalala sy hampahory ny tenanao teo anatrehan'Andriamanitrao dia reko ny teninao, ary noho ny teninao dia avy aho.
13 Fa ilay andrianan'ny fanjakan'i Persia nanohitra ahy iraika amby roa-polo andro; fa indro kosa Mikaela, anankiray amin'ireo andriana lehibe, no tonga hanampy ahy; ka dia izaho ihany no sisa nijanona teo amin'ny mpanjakan'i Persia.
14 Ary avy hampahafantatra anao izay hanjo ny firenenao any am-parany aho, satria mbola hihatra amin'izany andro izany ny fahitana.
15 Ary nony nilaza izany teny izany tamiko izy, dia niankohoka tamin'ny tany aho sady tsy nahateny.