6 Ry Beltesazara, lehiben'ny ombiasy, fantatro fa misy fanahin'ireo andriamanitra masina ao anatinao, ary tsy misy zava-miafina manahirana anao, koa ambarao ahy ny fahitana izay hitako tamin'ny nofy mbamin'ny heviny.
7 Fa izao no fahitan'ny lohako teo am-pandriako: Nijery aho, ka, indro, nisy hazo teo afovoan'ny tany, ary fatratra ny hahavony.
8 Nihalehibe sy nihahery io hazo io, ary ny hahavony nipaka tamin'ny lanitra, ary ny fijery azy dia hatrany amin'ny faran'ny tany rehetra.
9 Tsara tarehy ny raviny, ary betsaka ny voany, sady teo aminy no nisy hanina ho an'ny rehetra; teny ambaniny no nialokalofan'ny bibidia, ary teny amin'ny sampany no nitoeran'ny voro-manidina, ary ny nofo rehetra nahazo hanina avy aminy.
10 Nijery tamin'ny fahitan'ny lohako teo am-pandriako aho, ka, indro, nisy mpiambina masina anankiray nidina avy tany an-danitra.
11 Niantso mafy izy ka nanao hoe: Kapao io hazo io, dia rantsano; ahintsano ny raviny, ary aelezo ny voany; aoka ny biby hipariaka avy eo ambaniny, ary ny vorona hiboridana avy eny amin'ny rantsany.
12 Nefa avelao amin'ny tany ao amin'ny ahitra maitso any an-tsaha ihany ny fotony, ka asio fehy vy sy varahina; ary aoka ho kotsan'ny andon'ny lanitra izy, ary aoka ny anjarany ho amin'ny biby any amin'ny ahitra amin'ny tany;