1 Ary ankehitriny, ry Isiraely, mihainoa ny didy sy ny fitsipika izay ampianariko anareo harahinareo, mba ho velona ianareo ka hiditra sy handova ny tany izay omen'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, anareo.
2 Aza ampianareo ny teny izay andidiako anareo, ary aza anesoranareo, fa tandremo ny didin'i Jehovah Andriamanitrareo izay andidiako anareo.
3 Ny masonareo efa nahita izay nataon'i Jehovah noho ny tamin'i Bala-peora; fa ny olona rehetra izay nanaraka an'i Bala-peora dia naringan'i Jehovah Andriamanitrao tsy ho eo aminao.
4 Fa ianareo izay nifikitra tamin'i Jehovah Andriamanitrareo kosa dia samy velona avokoa izao anio izao.
5 Indro, efa nampianariko didy sy fitsipika ianareo, araka izay nandidian'i Jehovah Andriamanitro ahy, mba harahinareo any amin'ny tany izay efa hidiranareo holovana.
6 Koa tandremo ary ataovy izany, fa izany no ho fahendrenareo sy ho fanananareo saina eny imason'ny firenen-tsamy hafa; fa handre izany lalàna rehetra izany izy ka hanao hoe: Olona hendry sy manan-tsaina tokoa io firenena io