1 Ny lalàna rehetra izay andidiako anao anio dia tandremo harahinareo, mba ho velona ianareo ka hihamaro ary hiditra sady handova ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razanareo homena azy.
2 Ary tsarovy ny lalana rehetra izay nitondran'i Jehovah Andriamanitrao anao tany an-efitra izao efa-polo taona izao, hampanetry tena anao sy hizaha toetra anao ary hahalala izay ao am-ponao, na hitandrina ny didiny ianao, na tsia.
3 Dia nampanetry tena anao Izy ka namela anao ho noana, dia nanome anao ny mana hohaninao, izay tsy fantatrao na ny razanao, hampahafantarany anao fa tsy mofo ihany no iveloman'ny olona; fa izay rehetra aloaky ny vavan'i Jehovah no iveloman'ny olona.
4 Ny fitafianao teny aminao tsy rovitra, ary ny tongotrao tsy nivonto izao efa-polo taona izao.
5 Koa aoka ho fantatrao amin'ny fonao, fa tahaka ny fananaran'ny olona ny zanany no fananaran'i Jehovah Andriamanitrao anao.