1 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mankanesa ao amin'i Farao; fa Izaho efa nanamafy ny fony sy ny fon'ny mpanompony, mba hanehoako izao famantarako izao eo aminy;
2 ary mba holazainao ho ren'ny zanakao sy ny zafinao izay zavatra nataoko teto Egypta sy izay famantarana nataoko teo aminy, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
3 Ary Mosesy sy Arona dia nankao amin'i Farao ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo: Mandrapahoviana no handavanao tsy hanetry tena eo anatrehako? alefaso ny oloko mba hanompo Ahy.
4 Fa raha mandà ka tsy mandefa ny oloko ianao, indro, hahatonga valala amin'ny taninao rehetra Aho rahampitso;